Avia ianao (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Avia ianao Rasiza, fa hariva ity ny andro,
ajanony kely aloha izay tokona nahandro
fa avia eto am-pofoiko, isika hifankatia,
fa vita indray aloha ity herinandro ity

avia ianao moa haingana, aza mba malaina,
avia aty rahavako, avia moa fa ilaina
nandresy aho androany nilalao fanorona,
ka noho ny fifaliako, ianao no tiako horina
...
io indray ianao, ilay tsy mahandry tantana ,
ndaondao lava, tonga dia mamantana
izaho ve izany moa, tsy maintsy hoe manaiky foana,
na dia marary an-doha, rehefa ianao no noana ?

Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1078 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0457