Aza ampirongatinao (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza ampirongatinao, ilay hetaheta anatiko
aza fohapohazinao, ilay filàna izay tsy tantiko
fa sao tsy zakanao ny valiny

Aza taitairinao, izato biby ato an-davaka
sao enjehiny ianao, ka tratrariny miavaka
ka izay ianao vao tena laniny

Aza alanao volombava, ity saka izay matory
fa raha taitra eo izy io, tsy voafehinao akory
ka aleo mipetraka milamina

Aza dia kobaninao, ilay fotaka efa mandry
sao mivadika ho loza, raha toa ka mihenjana ny sandry
Aoka ianao tsy hila vanona
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
901 1
Mpakafy: Soarilala
Hevitra mandeha
Malita ( 24/04/2010 07:50)
Aza masika lotra anefa na izany aza 😉
raozigasy ( 24/04/2010 11:36)
zao ve de masiaka e
Soarilala ( 28/04/2010 14:37)
Tsy masiaka angamba fa mampitandrina
Soarilala ( 09/06/2010 12:17)
Aza ampirongatina ilay hetaheta anaty...

Manjary mangetaheta ambony lakana fontsiny!!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0345