Aza fohazinao ny lasa (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza fohazinao ny lasa, fa aleo izy hilevina any,
Aza asian-teny intsony, fa ataovy lavitra ny tany
Aza anaovan-todi-doha, fa ny lalanao no zory,
Ny famohazanao azy, tsy hampiova inona akory

Aza fohazinao ny omaly, fa aleo izy hijanona any
Aza atsidika any akory, izany lalan’ny vinany
Aza andefasana tsiahy , aza anembonana mihitsy
Tsindrio fa lavo ireo fahiny, fa ny anio betsaka, ireo vitsy

Aza jerenao akory, ireo holatra navelany
Fa takom-pery nihitsana iny, sy zezika nivadi-pelana
Ataovy hoe ririnin-dasa, aza ezahina tsaroana,
Fa ny anio aloha jerena, sy ny ampitso manoloana

Aza avadika akory, ireo vetson’ny taloha,
Aza fohazina mihitsy, ireo fotaka hifoha
Aza anaovan-jery lavitra, ilay mandam-pahatsiarovana
Aza odiana hay akory, ireo tantara nolalovana

Fa ny lalanao no zory, ary ataovy azafady
Ireo tsiaro izay miselona, any an-kafa hoe mitady
Fa ny lalanao mitohy, ary tsy afaka miverina
Ireo lasa aleo ho any, izany foana teny anterina
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
753 1
Mpakafy: raozigasy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0315