AZA KIVY (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho valin'ny hafatr'i Penhell amin'ilay tononkaloko hoe HO NAMANAO

AZA KIVY

Raha toa ianao ka te ho namany
Sy maniry ny ho tantanany
Kanefa tsy afaka manoatra
Dia aza kivy na sendoatra

Fa mbola any ilay anjara
Dia mahareta f’any afara
Ho hitanao ilay tena Namana
Mety hanarianao ny eo an-tanana

Aza maika hampirobo
Ka hitsabatsabaka itsy dobo
Tsy hita io ka mahamanina
Raha latsaka ao ianao ka ho fanina

Fa miandrasa izay sahaza
Ary aza atao voalobo-jaza
F’aleo ilay fitiavana matoy
No andrandraina sao maloy

Dia aza sorena aza kivy,
Aza mioty marikivy
Fa mandinisa ny fotoana
Izay ho anao ho avy foana
--------
Rohy:
1240 1
Mpakafy: zeda
Hevitra mandeha
tinah2 ( 16/09/2006 08:29)
Ry Raozy an ! Tena toy ny rano mangatsiaka madio mangarahara manala hetaheta tokoa io tonokalonao io . Misaotrsa betsaka de tohizo ihany fa misy azo tsoahina tokoa itony aingam-panahy itony ;merci
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0457