You are here: home > Vetso

Boraka fitia - raozigasy

Azo vakiana?

Nasetry ny tononkalon'i kiriah hoe "raha toa tsy mino ianao"

Efa nindramiko izy, Fony ianao tsy nahalala
Ilay tao am-poko lalina, ilay saika lasa adala

Eny efa nindramiko, ilay mason’ny fitia,
Ny sain’ilay fitiavana, sy ilay fo tia ery

Fifanojoana angamba, no fondrony sy tsininy
Diso rindran-dalana, ny fararano sy ririniny

Ka ianao tara kely, izy lasa aloha,
Ianao izay vao taitra, izy efa nifoha

K’izao angaha no hafatra ! enjeho; malakia
Faingana ianao milaza, ilay boraka fitia