BYE BYE LONDON (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BYE BYE LONDON

Veloma ianao London,
Ny revy tany bonne
Irina ny hiverina
Na dia hoe tsy amin'ny heriny

Veloma ianao London,
Fa hiverina amin'ny laoniny
Ny fiainana rehetra,
Bouchon, stress, etsetra

Veloma ianao London
Fa souvenirs amin'ny tonne
No sisa hotsaroana
Raha toa tsy tafahoana

Veloma ianao London
Fa hiova izao ny donne
fa vita ny holidays
F'handeha hiasa indray

Veloma ianao London,
Bye bye from Luton
Mbola hisy ny manaraka
Ny sosy no tsy haharaka

Good bye london, good bye
may be another day
I'll come there again
asap fa tsy rehefa bainina
--------
Rohy:
1761 0
Hevitra mandeha
katiaa ( 23/01/2007 00:41)
look left look right
fanjiry ( 30/01/2007 09:01)
Tena tsara, tsisy patiny mihitsy ve ilay souvenirs am tonnes?
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0311