You are here: home > Vetso

Cahier de souvenir - raozigasy

Ianao izay mahatsiaro ho Tanora zokiny ihany
No mahalala sy mahay izay voasokatro eto ambany

« Cahier de souvenir »

Hitako tsinahy tam-pampirinan’entana
Ilay « cahier de souvenir »
Tsy nihamba aho nanokatra,sady nientanentana
Nazoto nikirakira

Nasesiko ny pejy,nokajiako sao rovitra
Dia hitako ianao
Nitsikiako mora,na dia henoko nihovitra
Ny tao anaty tao

Novakiako miadana,tam-pameloman-dasa
Ireo soratra sy hafatra
Nobanjiniko mangina,ilay sary misy havatsa
Ndrii .. fotoana tonga lafatra

Hoy ianao mantsy : roa ny zava-tiako
Ny raozy sy ianao
Ilay raozy halazo anio, fa mandra-pikimpiako
Ho tiaviko ianao

Nasianao sary fo,natao tam-pensilihazo
Nolokoinao mena
Nopetahanao baraingo,hoe mazava ve sy azo ?
Ekena sa tsy ekena ?

Namaranana azy, tsoraka ankitelo
Sy ny daty tamin’izany
Namerina tadidy,sy nampamelovelo
Ny telopolo taona lasa tany

Dia teo aho velon-kira
Nitanisa ireo “delira”
Nivalon-tan-dakira
Oh.. “cahier de souvenir”

© Raozigasy 05/04/19

Hametraka hevitra

Midira aloha