Dadanao izany ... fa tsy dadanay (raozigasy)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dadanao izany … fa tsy dadanay Ny dada hoy ianao
Mikapoka, mibedy,masiaka,manafay
Ny dadanao izany, fa tsy ny dadanay
Ny dada hoy ianao
Misotro toaka lava, tsy mody indraindray
Ny dadanao izany, fa tsy ny dadanay
Ny dada hoy ianao
Tsy manao raharaha, ny sakafo tsy mahay
Ny dadanao izany fa tsy ny dadanay
Ny dada hoy ianao
Mitady vola fotsiny, tsy misy afa-tsy izay
Ny dadanao izany, fa tsy ny dadanay
Fa ny dadanay
Vitany daholo
Na ny sakafo, na ny kolo
Ny andraikitra, ny adidy
Ny vola tsy kahidy
Fa ny dadanay
Vitany daholo
Ary tsy misy hahasolo
Izay nikelezany aina
Sy ron-dohan-tsaina
Fa ny dadanay
Vitany daholo
Ny zanany tontolo
Ny tokantrano, ny havana
Vitany am-pitiavana
Fa ny dadanay
Vitany daholo
Ka tsy hisy afaka handolo
Fa ny tena mahery
Dia ny dadanay irery
Koa aza ampitoviana, ny dada rehetra
Ny tsy manan-tanjona, sy ny hafa tarigetra
Ny mitsoaka adidy, ny tsy hita sy ny tsy hay
Ataovy hoe dadanao, fa tsy dadanay
© Raozigasy 16/06/2019
--------
Rohy:
Sokajy :
Fianakaviana
Mpakafy:
nirinamercia - Anarim