Demokrasia malagasy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Demokrasia malagasy
Tsy nianarana tan-dakilasy
Fa mokon-dohan’olon-dia
Zara raha mahay abidia

Demokrasia malagasy
Tsy nisy lesona an-taratasy
Fa fisainana lo sady ngizina
Ts’isy resaka afa-tsy bizna

Demokrasia malagasy
Tsy hita hoe misy “place”
Fa resaka eo am- baravy
Bontolo-mpanao rugby

Demokrasia Malagasy
Fanjakazakana amin’ny basy
Izay resaka hoe fifidianana
Nofin-drabefihavanana

Demokrasia malagasy
Mbola ao anaty “impasse “
Mbola lavitra ny lalan-kaleha
Ary mbola tena elabe

Dia inona no azo atao ?
Hanontaniako anao
Hanovana azy fa mankalao
Sa hijanona lava amin’izao ?
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
786 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0306