Deuxieme tour (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy resaka natao hoe hampisavoro
Fa resaka tsotra hoe “deuxieme tour”
Apetrako kely ny fanontaniana
Hifidy an’iza, fa izaho mba liana

Ilay taloha taloha, sa taloha vaovao
Izay mantsy izao no ao ambadika ao
Hifidy saribakoly sa marionette
Hifidy “star” sa hifidy “vedette”

Ilay voaongana sa ilay vao hodakana
Ilay befikafika sa ilay be lalàna
Ilay “peste” sa ilay “cholera”
Ilay “cancer” sa ilay “sida”

Tsy haiko izay marina sy tena izy
f’ireo ange samy fototry ny “crise”
matoa voahongana, dia tsy tiana
tsy matotra koa matoa voakiana

ka hifidy voay sa hifidy atsantsa
ho avy indray mantsy ny antsaantsa
ho avy indray izao ny propagandy
sy kabary matavy be provandy

“caveau” no fidiana sa “cimetiere”
Ilay be « ego » sa ilay be « poera »
Ilay hamaly faty, sa i alahelon-kanina
I ampihi-mamba sa I tendan-kanina

Ilay tiana tahaka ny fozakely
Sa I tondra-dronono, tondraka tantely
Ilay zana-dreniny diso hanta
Sa safiotra anglisy , ilay mantamanta

Io "film" io mantsy ange efa nandeha
tamin'ny andron'i Zafy sy ingahy Dede
Tsy misy angaha ny olona vaovao
f'ireo foana no miodinkodina ao

Tsy haiko intsony mantsy izay atao
Ka izany no hanontaniako anao
Tsy resaka natao hoe hampisavoro
Fa resaka tsotra hoe “deuxieme tour”
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
1040 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2257