DIA LASA SAHADY INDRAY NAREO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DIA LASA SAHADY INDRAY NAREO

Dia lasa sahady indray nareo, ry bavikely sy ry valy,
Dia nitodi-doha sahady, namonjy ny asa sy ny adidy,
Kanefa izay niarahantsika, niombonam-po, niombonam-paly,
Horaketinay am-po, ataonay tsara tadidy

Fotoana fohy, tsy hay notanana,
Fotoana mamy, tsy hay sakanana
Fotoana niarahana nizara,
sombim-piainana, ho tantara
Fotoana niainako indray,
hoe niova kay ny fiainanay
Fotoana nahalalako f’hay,
samy efa lehibe zahay.

Ny fandalovanao taty,
Dia nanamafy ny fitia,
Hoe mifaningotr’aina isika
Na dia tsy mifankahita
Fa ny tena mamy indrindra,
Dia izy “dahy” mahay mampirindra,
Ny fiainantsika-dahy ho lafatra
Tena tiako , tena fatratra,

Isaorako mihitsy ny Avo,
Fa ny fiainako efa ravo,
Mahatsapa fa mahay miria,
Izay tianao , sy tiako aty,
Satria tanteraka ny vavako,
Hoe hifankahazo ny havako
Ary iriko hitohy izany
Hatrany am-para-baza-tany

Nahafinaritra ahy tokoa,
Ny mahita anareo roa
Miresaka mitovy vazo
Sy tena mifankahazo
Fa ny sary tena tiako,
Dia izy dahy, ireo samy tiako
Milaza ny ao am-po tsy mihafa
Ka tsara resaka sy tafa

Fohy anefa ny fotoana,
Ka satriko hitohy foana,
Kanefa tsy nampaninona ahy,
Satria izaho izao tsy manahy,
Fa na ny fiainanao any,
Na ny fiainanay izay tsy any
Dia samy milamina satria
Samy miaina ny fitia

Ka raha lasa ianareo, ry bavikely sy ry valy,
Raha nitodi-doha sahady, namonjy ny asa sy ny adidy,
Tsarovy f’ireo niarahantsika, niombonam-po, niombonam-paly,
Horaketinay am-po, ataonay tsara tadidy
--------
Rohy:
1629 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0311