DIMY TAONA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DIMY TAONA

Dimy taona ve izay
Ilay mariazy be nilay
Dimy taona ?… vetivety
Dimy taona izay ilay fety ?

Dimy taona… izay sahady
Ianareo roa ilay nivady
Dimy taona izaho tsy teo
Nifaly irery ianareo

Dimy taona, poa toa izay
Ilay andro tena miolomay
Tena tsy azonao an-tsary
Dia mivadika ny diary

Fa izao no hafatra ambara
Mbola ho lava ny tantara
Fa dia haharitra anie
k’ho “Dimy taona” be dia be

Izay ny anay no faniriana
Dia mahazoa izay iriana
Dia i “bitika”tongava soa
Veloma indray ianareo roa
--------
Rohy:
1081 1
Mpakafy: Zozoro
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0323