Diso be …. (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
‘Njay enton-dranomanitra, nanaitra ny hanimboloko, nandalo avy ao ivohoko
Ka poa toy izay dia lasa, ireo zavatra rehetra, namantoka ny lohako,
Dia iny aho fa nitodika, tsy nisalasala, fa nanara-jery,
Ilay olona nandalo, nanelatrela-pofona, hanitra mahery

Nojereko ny kirarony, avo voditongotra, sy maranidranitra,
Misadiaka ny eo an-tampony, sady misy kirany, toa kintana eny an-danitra
Ny lokony amin’izany, mainty ngalingaly, toy ny tsy mpandia tany
Fa entina manitsaka, gorodom-bolom-biby, any edenany any

Ny zipo izay nanaovany,ilay tsy fohy tsy lava, fa tena ao tsara,
Ny ranjo mandimandina, nohalavirim-bolo, fa tsara karakara
Ny dolan’ny andilany, milamina famindra, tsy fihetsika nitarina
Tsy feno jado-maika, fa feno fahamatorana, mahitsy sady marina

Ilay loba-potsy amboniny, mitsatoka sy mihaja, manaraka ny bikany
Noravahin-drojo, tsotra tsy mba jejo, mitovy amin’ny sariakany
Ny poketra sy ny kavina, kanto tsy marevaka, matsoratsora loko,
Hatramin’ny solomasony, manamatotr’endrika,sady miady loko

Dia hoy aho tao an-tsaiko,zany ka vehivavy, masimasin-jaika
Na dia handanian’andro,hibanjina azy fotsiny, tsy misy mahamaika

Kanjo !!!

Njay feon-kiririoka, nanapaka ny jeriko… hay ka ny findainy,
Niteny ratsy izy, nisava ny poketrany, teo am-piolomainy
Dia nihorona ny hoditro, gina ny fanahiko, voafitaka ny saiko,
Hay ka tsy anjely, ity olona banjiniko, jereko sy visaiko

Nohenoiko izato resany, ts’isy mba madio, ireo teny sy voambolana
Ny feony amin’izay feno kitakita, isak’izay mivolana
Dia ompa variraraka, no sesim-balinteny, miloatra avy ao am-pony
Dia nanokatra poketra, nandrehitra sigara, niezaka nitony

…..

Dia lasana aho nandeha, naka sisisisiny, toa mpirenireny,
Namoaka taratasy, dia namoaka penina, nanangonangon-teny,
Dia nanakamban-drima, hampanongam-panahy, hamoahana an-tantara
Ity tranga iray ity, mba ho ahy sy ianao, dia indro aho fa mizara ….
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1235 0
Hevitra mandeha
Mitantsotia ( 05/04/2013 10:49)
Tena tsara!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 10/05/2011 18:45
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0317