Doliprane (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Doliprane

Ianao hoa no doliprane
Fanafody tiako mba hohanina
Rehefa mararirary ny an-doha
Fa ratsiratsy fifoha

Ianao hoa no doliprane
Tiako mba handamindamina
Ny korontako madinidinika
Tsy mety voarindrako an-dinika

Ianao hoa no doliprane
Hohaniko raha valalanina
Sy dizin’ny asa ny saiko
Ka mi"ram" mijaikojaiko

Ianao hoa no doliprane
Raisiko raha fanimpanina
Sy vizana ary torovana
Ireo rantsako marary hovana

Ianao hoa no doliprane
Ataoko talaky tazanina
Hampanonganonga moral
Hampiesona tsara amin’ny alina

Fa nandramako ny fervex
Nobobohako koa ny bex
Teo koa ny paracetamol
Fa joueur tsy mahafaty baolina

Nandramako ny ibuprofen
Fa tsy nampisava blem
Nandramako ny aspirine
Fa tsy nampiova n’inona n’inona

Nandramako ny nurofen
Vao maika nampitombo kamenona
Nandramako ny propofan
Fa tonga dia an an !!

Fa doliprane ihany
No raisiko hatrany hatrany
Rehefa iny aho dozin’ny tany
Fa iny no solom-binany
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
2164 2
Hevitra mandeha
kiriah ( 26/06/2012 12:33)
iny njay no tsy hitako e! , ary izy mahita morsa foana an !
Soarilala ( 05/07/2012 12:24)
Tandremo ary sao dia diso dose ka fanin'ny doliprane an!
mimi12 ( 06/07/2012 07:06)
ary misy mahazo sosy avy any amin'ny Sanofi mihitsy ato a!!!
Tikwel99 ( 06/04/2013 06:47)
lol...milay be. Tokony anandrana amin'ny eferalgan aho fa iny ny ahy.hihi
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 25/06/2012 18:39
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0301