DRADRADRADRA (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DRADRADRADRA Dradradradra sisa ve
Sy tononkalo be dia be
No mba solom-pamonjena
Ataoko ho anao ry firenena ?
Dradradradra sisa ve
Sy Vavaka atao marobe
No ampinga hiarovako
Ho anao ry Tany lovako ?
Dradradradra sisa ve
Sy kiaka anaty tsy ho re
No fitaovam-piadiako
Ho anao ry Dago tiako ?
…
Na dia dradradradra sisa
No hahafaha-mitanisa
Ny alaheloko ny taniko
Dia dradraiko sy volaniko
Na dia dradradradra aza
No hahafahako milaza
Ny vesatry ny fitaintainako
Dia dradraiko, hitarainako
Na dia dradradradra fotsiny
No hataoko “Saina Fotsiny”
Hampihena izato fahoriana
Dia dradraiko tsy an-kiviana
…
Ary inoako tena inoako
F’izao antso ataon’ ny foko
Dia mbola ho ren’ny ao Ambony
Ka hampisokatra ny fony
Ary inoako tena inoako
F’izao feom-pitalahoako
Dia mbola ho ren’ilay Nahary
K’ilay fireneko tsy harary
Ary inoako tena inoako
Fa mbola hivaly izao toloko
Sy izao vavaka ataoko izao
Dia ho Avotra ianao
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana
Mpakafy:
Zozoro