Efa ampy izay (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy fotoana natao hahanginana, Misy fotoana natao hitenenana
Ny andraikitra raisina nefa tandremo, sao diso lanja ka mety hanenenana

Misy fotoana natao hanekena, misy fotoana natao handeferana
Ny mandefitra lava anefa tsy mety, ary tsy maintsy asiam-piheverana

Misy fotoana natao hisainana, misy fotoana natao handinihina
Ny zava-tsy mety tsy maintsy amboarina, ny rafitra diso tsy maintsy kitihina

Misy fotoana natao hirongatana, misy fotoana natao hanakianana
Ny fahotana mahafaty tsy maintsy tsaraina, Ny fihoaram-pefy tsy maintsy sakanana

Koa angamba rey olona, tsy diso ny teniko, aza miandry intsony,izao no fotoana
Andao hioitra sy handa, handrava sy hamotika, Efa ampy izay ilay manaotao foana

Efa ampy izay Ilay Rabefandeferana. Efa ampy izay ilay Rabefihavanana
Fa aleo ny kibay no hifampitenenana, dia hamonkin-totohondry sy hifanome Tanana
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
880 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.031