Efa mazava be leitsy ny karatra a !! (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa miparitaka mivaky tady
Sy mihitsoka lalina latsaka an-kady
Efa tsy ho tafavoaka ity vavahady
Na inona na inona atao sarin’ady

Efa vita matavy ny ampitson’ialahy
Izay no voasoratra hoy ry zalahy
Mandeha mipitsika fa midegà
Dia any amin’ny sisiny indray mitogà

Efa vita ketsa fa tsy misy fika
Tsy mety amin’ialahy intsony ilay politika
Mandeha misintaka sao dia mivika
Hidio ny bilao fa efa be no mipika

Efa ho tampina hono ny daomy
Ka ireo forongo kely ento sy taomy
Fa efa tsy misy mandeha amin’ny laony
Ilay manara-penitra saika hataony

Efa “miaule” irery ilay “as de pique”
Tsy nahay nibory, hay ady alika
Rehefa izany ny vato dia efa midika
Fa efa tsy matotra ilay teknika

Efa tsy miainga intsony ny “passe” tolaka
Ilay tanam-pitsotra io fa efa folaka
Kiry no miady fa ny saina mivoraka
Hatramin’ny sahona aza efa tsy mihoraka

Efa tsy mandeha intsony ialahy raha soavaly
Betongotra sisa mitantara ny omaly
Ny mpiloka rehetra efa tsy misy faly
Efa tsy “favori”, Ts’isy mpitotaly

Efa mazava be leitsy ny karatra
Fa na henjana ialahy, na favy na varatra
Efa vizana leitsy ilay vatoaratra
Fa aleo soloina ireo “maitre” aratra
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
1056 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1682