Efa-taona (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa-taona androany, ianao ry sombin'ny aiko
ka tsy fanahy intsony anio ny ahy no mibaiko
fa dera, laza, haja, fisaorana ny Ray
noho ity zaza mamy, izay nomeny anay

Efa-taona androany, ianao ry masisokeliko
na dia toy ny vao omaly, ilay hafaliana am-pelipeliko
isaorako i neny, nitondra, nanome
ity voalohan-taranaka, hafalian-dehibe

Efa-taona androany, ianao ry tiako indrindra
ny fientanan'ny ao an-trano, ianao foana no mandrindra
ny dongy, ny hantahanta, ireo hevi-petsy mbetika
itambianao fitiavana, efa hainao ny tetika

Efa-taona androany, ianao ry gasikeliko
mpiantsa koa sahady , ireo tononkalo aeliko
na dia am-pitan-driaka, mahafolaka tsy miahy
ny tenin-dray sy reny, sy ny tenim-bazaha

Efa-taona androany, arahabainay sy neny
ny fanomezanay ; ilay boky tianao ireny
angano malagasy, ataoko fandrotsiana,
rehefa iny ianao ateriko am-pandriana

Efa-taona androany, tiako anie ianao
tian'i neny koa, fa Fitia sy Kilalao
holava andro ianao, hitombo fahendrena
dia taiza tsara koa no ezahinay homena

Raozigasy
--------
Rohy:
985 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0329