Efa tofoka sy Lao (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa tofoka sy laoKivy izao tontolo izao
Gasikara miha-vizana
Ny fahatrana ikoizana
Efa difotry ny miandry
F’andao henjanina ny sandry
Sao tara loatra ka hanenenana
Toy ireo lasa tsy hiverenana
Ny manodidina efa kirana
Fa ts’isy zavatra mangirana
Ny ampitso sy ny hoavy
Vita ketsa sy matavy
Ny filaminan-tsaina ts’isy
Ny fahalemana indrisy
Fa korontana ambony ambany
Sy herisetra zavo-tany
Ka hiandry foana ve fa Gasy
Fa aiza ilay “izay be no basy”
Mifampitaoma f’aza mihamba
“mitabe tsy lanin’ny mamba
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana - Aingam-panahy
Mpakafy:
raozigasy
Hevitra mandeha
gasyjean
(
28/02/2013 22:41)
Moa ny gasy ve tena ambany?
Sa manaiky atao izany?
Haren-tsaina samy manana
Na tsy mitovy aza ny fanànana.
Sa manaiky atao izany?
Haren-tsaina samy manana
Na tsy mitovy aza ny fanànana.