Ekeko Tompo o ! (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ekeko Tompo o ! izany antsonao
Ka na inona mitranga, isika tsy hifandao
Satria Ianao no heriko, ny vavakao no fiainako
Ianao no fanafody, mitsabo ny taintainako

Ekeko Tompo o ! izany lalanao
Ka na ho mora na ho sarotra, tsy hivily lalana aho
Satria Ianao no tokiko, sy hery fiarovako
Raha ianiham-pahavalo izany mandan-drovako

Ekeko Tompo o ! izany didinao
Ka ho tanterahiko, isan’andro izao
Satria Ianao no Tompoko, ny hasinao arovako
Ny teninao no hareko, ny baibolinao no lovako

Ekeko Tompo o ! izany sitrakao
Ka na ho mafy na mangidy, dia tsy maintsy atao
Satria Ianao no nofidiako, hitarika ny diako
Ho fefin’ny finoako, raha be ny siasiako
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana - Aingam-panahy
1192 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0318