Ela loatra (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa fony tiako ianao, Tsy azonao an-tsaina
Ilay adalam-panahy , niainako ry aina
Fa nofenoiko anao, ny fiainako tontolo
Ny nofiko rehetra, lasanao daholo

Kanefa

Ianao nanodin-jery, ninia tsy te hahalala
Ilay fangalam-piery, te hataonao malala
Ianao ninia nikipy, sy nanodin-doha
Tamin’ny jery vilako, nalefako nialoha

Ka hany sisa heriko, namboariko ny foko
F’ilay fitia maheriko, lavitra ny zoko
Ka fiononan-dresy, sisa nasetriko azy
Raha izay no anjara, efaiko f’efa sazy

Kanefa izao no teniko

Raha toa any aoriana, ianao hamerin-jery
Hitady ahy fa hoe ; angamba ianao irery
Ka hiezaka hanangona, ireo sisam-pitia
Mbola voatahiriko, taty amiko taty

Dia tsotra no ambarako,

Efa taloha izany, ka aza manantena
Fa ny foko aty, niova zava-jerena
Ela loatra mantsy, ilay fotoam-piandrasana
K’ilay ovan-jerinao, aleveno am-pasana
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
946 1
Mpakafy: raozigasy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0366