Elabe rangahy …. (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Elabe rangahy f’andao hirotaka
Aleo ny vahoaka no hanao ambotaka
Handray ny andraikitra sy ny adidy
Fa izy ireo nge no tompon-tsafidy

Elabe rangahy f’andao higrevy
Aleo ovaina amin’izay ilay revy
Mivondronà ianao Ramalagasy
Fa izay be ihany ange no basy

Elabe rangahy f’andao hilahatra
Aleo ny zava-drehetra atsahatra
Ndao diovina ity politika
Fa masiso loatra ireo fikafika

Elabe rangahy f’andao hitokona
Aleo maro amin’izay dia mba bokobokona
Ilay kibay hoe tsy miady tsy miady
Avoay amin’izay dia andao mifampitady

Elabe rangahy ilay fifidianana
Aleo ajanona ilay fanakatsankanana
Aleo milamina avy eo dia misesy
Dia mipitsika avy eo ireo rehetra resy
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
1072 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0281