Embonembona (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Notazaniko fodiana, ilay masoandro am-paratazana
Ka ilay loko izay tavela, nanaitra ny hanin-tanindrazana
Ilay volom-bolamena, mireda jery amoron-driaka
Manindrona ny foko lalina, very aty an-dafin-driaka

Nisisika tanelan-drantsako, ilay rivotra nisangy
Nampahatsiahy ireo fotoana, tsy nahafahana namangy
Ireo havan-tiana sy sakaiza, ireo tapaka sy namana
Ireo fahazaza izay nilaozana, ireo tsiaro sisa an-tanana

Nandondona tao an-damosina, poa toa izay ilay ali-maizina
Nanaikitra sy nampitsako, ilay fisarahan-tsy azo laizina
Ka nampangorana ny anaty, nandrasarasa ny aty fo
Nipongampongatra tsy satry , ireo tsiahy ny taloha

Manembona ny taniko aho, fa nampanembonanao
Ka lasa manina te hody, te hanainga izao dia izao
Kanefa aoka ihany aloha, hajaiko ihany ilay safidy,
Efa eto aho no mitoetra, efa nafindra aty ny adidy

Ka ilay tsiaro lasa lavitra, aleo hijanona ho tsiaro
Sedra nolalovana iny, toy ireo efa nisy maro
Embonembon’olombelona, nofinofy lasalasa
Mandratra vetivety ihany, fa avy eo tsy maintsy lasa
--------
Rohy:
1790 1
Mpakafy: kiriah
Hevitra mandeha
Zozoro ( 27/09/2010 09:41)
Manombana ho hariva ny andro ry lahy
Manaraka an'iny ny fo sy fanahy
Itety ny avoana
Amangy loasaha
Ireo havana tiana tsarovana foana.

Voatendry voahiraka
Iaotra morotsiraka
Itady karama
Anohatoanana ny any an-tanĂ na.

Ambarako eny lahy, lazaiko anao re roy
Fa mba te-hody ihany saingy maro ny adidy
ka tsy hafa-manoatra, tsy tompo-tsafidy...

Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0305