Fa maninona ? (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa maninona ?

Dada a

Fa maninona ny lalana any dago ratsy be,
Sa zareo tsy mandoa hetra ?
Fa maninona eny an-dalana no feno olo-mandehandeha,
Tsy miasa angaha izy rehetra ?
Fa maninona ny olona « mipipi » eny an’ny arabe,
Fa ahoana no voretra ?
Fa maninona no feno tsenakely izay aleha,
Amin izay tsy misy fetra ?

Fa maninona no tsy manao « ceinture » anaty fiara,
Sa zareo no bebe fika ?
Fa maninona no ts’isy « casque » ny « moto » aloha sy afara,
Ngah ny polisy tsy masiaka ?
Fa maninona ny ankizy no tsy manao akanjo tsara
Tsy mba madio toy ny antsika ?
Fa maninona ny biby no tsy mba voakarakara,
Sy tsy mifatotra ny alika ?

Fa maninona zareo, no tsy maintsy omena vola
Rehefa isika ilay mamangy
Fa maninona zareo mody hoe miangolangola
Rehefa miresaka misangy
Fa maninona zareo, no tsy miteny gasy amiko
Nefa izaho ange malagasy
Fa maninona zareo no manontany izay hohaniko
Hoe izaho ve tia mofo gasy

Fa maninona ry dada, izaho ange tena variana
Fa ahoana mihitsy e, fa ahoana izaho mba liana
Fa maninona ianao no tsy mipetraka any intsony
Fa maninona hoa, mba valio izaho alony

Zanako a

Tiako be ianao manontany
Sahirana aho hamaly izany
hazavaiko anao tsikelikely
tsy hoe ianao akory zazakely
fa fiainana hafa tsy hainao
no misy any amin’izao
fa dada koa izao hanontany
aty no tianao sa any ?

aty no tiako fa milamina, sady betsaka lalao
fa any isan’andro vaky izao, mamangy foana no atao
fa ny any kosa tena tiako, rehefa alohan’ny dodo
dia lasa foana isika roa, mandeha any amin’ny resto

matoria aloha ianao, rahampitso aho manazava
i dadanao sy gasikara, mbola hoe tantara lava
hazavaiko anao tsikelikely, maninona isika no aty
ampitso tsara ho anao ny antony, izay fa etsy matoria

dia avia « câlin » dia « bonne nuit »

© Raozigasy 08/05/2019
--------
Rohy:
880 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0321