Fa misy inona ? (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa misy inona ?

Lehilahy maromaro , indreo mitangorona toa mivorivory
Manan-javatra holazaina, sa misy fitokonana, toa olon-te hitory ?
Ny sasany manoaka,sy mitan-takolaka, angamba te hatory
Ny hafa moa tsy hay, toa milongilongy,tsy hay hoe manakory

Indreo ry zareo,samy toa milanja ny hazo fijaliany
Samy tena miafy, mizaka ity anjara,sy ny fahoriany
Tsy misy na iray, mitsikitsiky endrika,manam-pifaliana
Raha tsy hasosorana,na koa fahamehana, dia toa hakiviana

Gaga aho sy talanjona , ka tsy nisalasala , nanantona nakeo
Te hahalala hoe misy inona, no manao endri-maloka sy tava mitoreo
Farany tsy aritro, iny aho nanontany, hono hoy aho fa misy inona ?
Tsy misy inona akory, fa izahay miandry vady, mbola nanao shopping

© Raozigasy 13/04/19
--------
Rohy:
894 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 22/05/2019 21:33
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.027