Fa naninona ???? (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitady lalana hibirioka ireo tsiahy tsara pirina
Mitady hihiratra indray ireo sary tsara irina
Mitady hitsangana amin’ny maty , ireo razan’ny fahiny
Mitady hivadika ho tsanganana ireo lavenom-paniriany

Mitady hihoatra izato valany, ireo tsiaro tsara fefy
Mitady ho tondraka an-dalana, ireo korian’ny tsy lefy
Mitady hivoaka ny vinany, ireo nofy tsy voafehy
Mitady lalana hitsoaka, ireo fahiny te handeha

Mitady handingana tokonana, ireo aloky ny lasana
Mitady hitatao vovonana, ilay fitia natao ho fasana
Mitady hitsambikina tamboho, ireo sovenira notakonana
Mitady ho sangy mihoatra loha, ireo tantara nianjonana

Fa naninona hoy ianao,no nety ho nahatonga izany ?
Hay nisy sary iray voatsidiny , tao am-bokin’ny vinany
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
697 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0337