Fahanginana (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho setrin'ny tononkalon'i Dafy Noely hoe FahanginanaNy fahanginan'ny mpanoratra
tsy tsitsy rora na faroratra
fa karajian'ny vinany
tsy mbola te hamonto tany
ny fahanginan'ny poeta
tsy hoe kahidy an-talenta
fa fandaminana mampiontana
ireo setran-betso mikorontana
ny fahanginana ao anatiny
tsy hoe feno ilay poakatiny
fa mandrira rima mba hirary
ho tononkalo sy kabary
ny fahanginany henonao
tsy ilay tsaho izao sy izao
fa fahanginan'ny mahery
hizara kanto ho anao irery
--------
Rohy:
Sokajy :
sitraka sy setriny - Aingam-panahy