Faktiora (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tohin'ny tantaran- dRapapany

Io ilay dokotera, nandray ny fahatongavany
fa tonga koa niresaka tamin'ireto havany
ianareo izany, no fianakaviana
andraso kely aloha ny valim-pitiliana

Madama feno sefo, nipentsona avy hatrany,
tsy nahalala fomba, tsy nihafa nanontany
naninona ny vadiko, lazaonao re Radoko
sady niefonefona, no nifokofoko

mbola nanampy trotraka iretsy roa vavy
tsy nisy handaharana, fa sempotra aviavy
misisika manaraka, te hahalala vaovao
maika izahay Radoko, naninona lazao

andraso kely aloha, atsy an'efitra atsy
aleo izy hihatsara, hilamindamin-dratsy
mipetraha ao ianareo, ao aloha aho handrasana
fa tsy eto an-dalantsara no efitra fiandrasana

izaho ange no vadiny, ary ireto ny zanany
izahay ve mahazo miditra, na dia hitsapa ny tanany
dia naninona hono izy, sa taiza no nianjera
sa nisotro indray, ka najedaky ny vera

ny nialany tao an-trano, hoe handeha hivory
mety ho ela vao mirava, ianareo afaka matory
fa hitako hafahafa aloha ilay tsiky vendrana
sy ilay masony nangirana, toa feno pendrampendrana

fa iza dokotera no nanatitra azy teto
dia ireo namany aiza, toa tsy misy hita hatreto
Ary ianao toa tsy miteny, tena misy tsy mazava
Sa mila ahy mampiaka-peo sy angamba mivazavaza

Milaminà ianao madama, mipetraha aloha
izaho manao ny asako, fa toneo aloha ny fo
tsy haiko izay nitranga, tsy niteny ry zareo
fa lehilahy mamobe, no nobataina teo

Izay fa mipetraha, lazaiko ihany ianareo
aza mitaintaina, tsy maninona izy eo
mila fotoana fotsiny, hampisava izato sainy
ka ny tabataba aloha angamba tsy ilainy

Milamina ianao Maman, Radoko efa nilaza
fa tsy ilaina hono, ny mivazavaza
aleo izy aloha ho sitrana, dia entina any an-trano
any isika mahalala, ny fandehan'ny angano


dia nilamina nangina, namakivaky boky
efa nihomehy kely aza, nifosa an-dokiloky
ilay taintaina sy hatezerana, nivadika ny fatra
niandry tsotra fotsiny toy ny mahazatra

Kanjo

afaka ora vitsy, nisy nanontany
nitady an-Rapapany avy any ivelany any
andiam-behivavy, sy mpiambina iray
mitaky faktiora , izay vao tena fay

© Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy : tantara
1421 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.032