You are here: home > Vetso

Fanilon ny poety - raozigasy

Azo vakiana?

Fanilo sy Poety,
Teny samihafa
Samihafa nefa mety
Sy miaraka mitafa

Fanilo manazava
Fanilo mampirenty
Mitarika, misava
Ny lalan’ny Poety

Poety izay fanahy
Poety zary tsilo
Arofanina
Fefin’ny fanilo

Fanilon’ny Poety:
Fanahy sy hazavana
Miaraka miventy
Ny kanto sy hatsarana

TANA 07/06/2002

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha