FANOMEZANA (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha omeko anao ny voninkazo
Rahampitso io dia halazo
Raha omeko anao ny mofomamy
Vetivety io dia ho lany

Raha omeko anao ny ranomanitra
Dia ho fohy ny fotoan-tsalanitra
Raha omeko poketra ianao
Ny lamaody mety handao

Raha omeko anao ny jaika tsara
Hiseho in-telo dia tsy tsara
Raha kiraro no homena
Tsy ho ela iny dia ho fitena

Fa tononkalo no atolotro
Ampian’ny oroky ny molotro
Sy teny mamy am-pehezana
No indro ataoko fanomezana
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
1395 0
Commentaires
Soarilala ( 28/02/2011 22:48)
Kanto loatra sady manan-danja tokoa izany fanomezana izany an! Tena tsara!!!!
Mitantsotia ( 05/04/2013 11:12)
TSARA
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0344