Fanomezana tsy lafo (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na totofan-kilalao, takalom-bola sy harena
Na hodidinin-java-maro, sy fanomezan-tsesehena
Na omeko anao daholo izay voavidin’ny karamako,
Dia tsy ampy hahasambatra anao, hiadananao ry zanako

Na ravahan-drenty sy haingo, ilay tranokelinao,
Na atolotro anao izay tsara revaka sy vao,
Na hodibohan-drotsirotsy, sy lanton-kira mahavariana
Dia tsy ampy hahasambatra anao, hiadananao ry Samitiana

Fa raha azonao daholo ireo, dia fitiavan-diso hanta,
Fitia masaka ivelany, fa ny atiny ho mantamanta
Fitia feno ravadravaka, fitia misinda poa toa izay
Dia tsy ampy hahasambatra anao, hiadananao ry zanakay

Fa ny fitia omena anao, dia fitaizana tsara fototra
Ka raha sendra zava-tsarotra, tsy ho kivy na ho rototra
Fa ny fitia omena anao , dia fitaizana feno vavaka
Ka raha sendra olam-piainana, tsy hiamboho adidy na hikilavaka

Fa ny fitia omena anao, dia fitaizana Malagasy
Ka ho olo-manan-kolon-tsaina, ho lavitra fangasihasy
Ny fitia omena anao , dia fanabeazam-pampianarana
Ka amin’ny androm-piainanao, dia hisy zahatra ifaharana

Tsy ampy ireo na tonga lafatra,fa ireo no heverinay sy neny
Fa hahasambatra anao, ka katsahinay ombieny,
Fanomezana tsy lafo, nefa koa tsy taka-bidy
No atolotray ho anao, ry sombin’aina sarobidy
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana - Fitiavana
4441 2
Hevitra mandeha
Soarilala ( 20/12/2010 23:03)
Marina izany fa rentirenty ivelany avokoa ireny fanomezana atolotra ireny.
Mety ho fanomezana tsy lafo ny fitiavana fa tena manan-danja tokoa,indrindra fa raha ho an'ny zanaka izay harena sarobidy no omena azy.
lolash ( 10/06/2012 18:23)
..."Fanomezana tsy lafo , nefa koa tsy taka-bidy....""

Tena zany mihitsy ka !
Nofy2 ( 01/09/2014 12:47)
ten tsar!sad anatr o an RAD no o an zanak koa
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0258