Fay (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nohajaiko izy, fa hoe zokiny hono
Nampireveko koa tan-tsaky tonotono
Noezahiko natao izay mety hoe hahafaly
Narahiko ny onjany, fa hoe izy mety ho valy

Rehefa miaraka eny, misakafo antoandro
Efaiko tsy mihafa, ireo vidin’ny nahandro
Ny saran-dalany aza, rehefa mikaretsaka
Tonga dia aloako, tsy misy resadresaka

Nataoko izay mba tiany, fa hoe valilahy
Notahitahiako mihitsy, tsy nisy ahiahy
Fa matoan-dry zareo, sy akaikin’ny fony
Ka tsy tiany ny hoe hisy lonilony

Dia indreny izahay telo, mifanaranaraka
Maraina, antoandro, hariva, tsy misy mba misaraka
Tsy misy izay fotoana, hitokananay roa
Fa eo foana razoky, misisika tokoa

Kanjo indray maraina, izaho toa taitra tampoka
Ka nankany an-tranony, tonga dia nanampoka
Akory ny hagagako, hitako tan-tranony
Hay ka tsy anadahy, ilay zoky tiany maminy

Indreo izy roa, tratrako am-pandriana
Amin’ny maso bongo, vao avy sondriana
Sady tsy mitafy, tam-pifamikirana
Ka tonga aho dia badenina, ny vavako nakirana

Teo aho vao tonga saina, fa tena dondrom-belona
Tsy nahita akory, ireo fihetsika niselona
Hay ka izy roa, manao sarimihetsika
Hitrohana ny paosiko, ho vola tsy an-kihetsika

Dia lasana aho nandeha, nilefa niolomay
Tsy nahahendry aho iny, fa tena nahafay
Izay ilay tena tampoka, tsy mahalehilahy
Aza mba voany ihany, fa tonga dia mivaha
--------
Rohy:
996 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1012