Feno ny hatretrehako (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha toa aho ka hindrankindrana,
ilay zavam-bolana somamby,
hitatitati-bolana any

Dia inoako marimarina,
fa ny tongilan-tsofinao,
mety ho rangaranga ihany

Raha toa aho ka hindrankindrana,
ireny taratara-kintana,
hampita ireo parasa-teny

Dia antenaiko mihitsy ianao,
fa hanangonangon-tsombiny,
sy hanakambana ireny

Raha toa aho ka hindrankindrana,
ilay tara-dinitry ny johary,
hizara ny hafanan’ny foko

Dia haiko tsara mihitsy ianao,
fa hampitombo ireo tahirim-pana ,
noraofinao antsokosoko

Raha toa aho ka tonga mihitsy,
hivolambolana fitia,
hambaboina ny fonao

Dia haiko f’avy hatrany ianao,
hiboraboraka an-kavia,
hoe ny anao fitia fa tsy lalao

Ka eto an-toerana tsy mihetsika,
dia efa mitaina izato foko,
mivoara-mena ny tarehiko,

Satria haiko mihitsy fa isika,
mitovy lentan-dobo-po,
ka tena feno ny hatretrehako
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
886 0
Hevitra mandeha
Soarilala ( 18/07/2012 19:28)
Raha toa ianao ka hindrakindrana,
ireo voary rehetra ireo,
entina ambaboina fo

Dia mino marimarina aho
Fa na izaho na ianao
dia samy ho tretrika tokoa
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0337