Fenoy fitsikiana (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
nandrasako mihitsy, hisasaka ny alina
hahafahako mampiainga, ilay fanahy handalina
hanovo teny mamy, ho an’ity fotoana
hiarahabana anao, noho ity tsingerin-taona

tratry ny fety ianao, dia mirary soa
ho salama hatrany, tahian’ny Tsitoha
ireo hetahetanao, ho vita sy ho to
ireo faniriana anie, tanteraka avokoa

dia izay fa mahereza, ny aina matezà
ary hamaranako azy, etsy ataoko bà
dia manaova fety, feno fifaliana
andronao anio, ka fenoy fitsikiana
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1014 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0323