Fetin ny ray 2019 (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fetin’ny ray 2019

Izaho : (miresaka amin’ny sarin-draiko)
Dada a !
Fetin’ny ray androany dia niarahaba ahy ny zanako
Dia niteny hoe « nisy fanomezana nomaniko
Dia indro omeko anao, ry Dada tiako mamiko »
Dia nanontany ahy izy, sady noraisiny ny tanako

Zanako : (miresaka amiko sady manontany)
Dada a !
Tamin’ny mbola velona ve ny dadanao
Dia ianareo roa koa niara-nilalao ?
Rehefa naditra ianao, izy ve nasiaka ?
Sa nangina tsy niteny, sa nikiakiaka ?

Zanako : (mbola manohy ny fanontaniany)
Dada a !
Ianao tany am-pianarana, ve rehefa nahay ?
Dia izy koa nanao, fetikely indraindray ?
Ianareo koa ve nisangy, toa antsika roa ?
Dia rehefa ianao hatory, dia nanao tantara koa ?

Zanako : (manontany foana)
Dada a !
Ianareo ve nanao fika, dia samy tsy niteny ?
Toy ilay ataotsika,ilay afenina an’i neny
Inona daholo, eo hoe mba tantarao
Izay rehetrarehetra, mba nataony anao

Izaho : (mibata an-janako moramora sady miampofo azy)
Zanako a
Avia ianao ampofoiko, dia fihino i dada aloha
Dia tantaraiko anao, izaho sy ny dadako taloha
Lazaiko anao daholo ireo rehetra nataonay
Na efa hainao aza, averiko eto indray

Izaho : (manomboka manazava)
Zanako a !
Izahay tamin’ny mbola kely, tsy nisy « internet »
Fa izaho sy dadanay, nilalao borety
Izaho koa nampianariny, nianikanika hazo
Avy eny aho nitsambikina, sady hoy aho hoe tatazo

Izaho : (mitantara sady manao fihetsika)
Zanako a !
Rehefa izahay nanao fangalam-piery
Tao anaty gony, izaho niafina niery,
Izy mody hoe nitady, mody tsy nijery
Sady mody koa nikaroka sy niteniteny irery

Izaho : (manondro azy ilay « lego » narafitray mianaka)
Zanako a !
Ny fiara kilalaoko ? izy no nandrafitra
F’izaho no nanao ny sary, sy nanao ny drafitra
Tamin’ny baoritra kiraro, izahay nanao tranokely
Ny tranonay taloha, no nataonay modely

Izaho : (mampiseho azy ireo boky nosoratako)
Zanako a !
Ireo hira sy tsianjery, nadikanay an-tsoratra
Dia nataonay fetifety, teo ambony tohatra
Rehefa alohan’ny hatory, dia nosafosafoiny
Rehefa nifoha maraina, teo koa mbola notrotroiny

Zanako : (sady mamihina no manontany indray)
Dada a !
Dia ianao ve malahelo fa tsy misy dada intsony ?
Dia raha mbola teo ve izy dia izaho koa nosafoiny ?
Dia izy ve raha teo, dia isika mamangy azy ?
Dia misangisangy, dia mivazivazy ?

Izaho : (sady misafosafo an-janako no miverina miresaka amin’ny sarin-draiko)
Dada a
Izao no navaliko azy, ilay zafikelinao
Izany ny fiainana, ny eo tonga, ny eo mandao
Izaho raha malahelo ilay dadako taloha
Tsy misy azoko atao afa-tsy ny manamboatra fo

Izaho : (sady mamela ilay zanako hiverina hilalao)
Dada a !
Efa natoroko azy koa, ilay fasako sy ianao
Dia nohazavaiko taminy hoe ao koa ny fasanao
Dia hoy izy tamiko hoe : « azoko amin’izay »
Izay no mahatonga ny anarantsika ho iray

Izaho : (sady misento kely, no lasa mamonjy ny zanako milalao)
Dada a !
Izay aloha ry dada, fa aleo izahay hilalao
Aleo « isika » ho any, fa « izahay » indray izao
Tsiaro kely iny, tsy haiko nidifiana
Aleo ho any aloha ny sento, fa ny androany fifaliana

… dia lasa nilalao izahay mianaka…

© Raozigasy 16/06/19
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana - Fitiavana
2158 2
Mpakafy: elnilbleue - hery
Hevitra mandeha
ANARIM ( 04/01/2020 08:07)
ndriiii azoko an-tsaina be ny kisarisarin'ny tononkalo... manome ainga sa aina tsy haiko faritana...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0316