Fetinao anio ry zanako (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fetinao anio ry zanako
Ka ny soratry ny tanako
Sy ny aingan’ny fanahy
No ametrahako tsiahy

Fetinao anio ry aiko
Ka ny vavaka lazaiko
Dia misaotra ny ao Ambony
Noho izato sitrapony

Fetinao anio ry tiako
Ka ny tambam-paniriako
Ianao ho salama tsara
Hanohizantsika ny tantara

Ka ho taona maro mitsingerina
No hivavahako hiverina
Hiarahantsika hatrany
Hamakivaky ny eto an-tany

Dia hiezaka izahay sy neny
Na amin’ny asa na amin’ny teny
Hitondra taizam-pahendrena
Amin’ny kolo izay omena

Fetinao anio ry zanako
Ry aina tokana fananako
Ka atolotro anao
Izao tonon-teny mamy izao
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana - Fitiavana
1255 0
Hevitra mandeha
mikous ( 11/03/2011 04:09)
mamy tokoa zany zanaka ô!
dia mirary soa be dia be ho azy r'ise a!
Ho tahian'Andriamanitra!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0321