Film Be (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
inona indray ny vaovaon'ny FB
Film daholo izay rehetra mandeha
noloarany tao ireo sovenira
ireo dossier taloha no ataony hirahira

dia io fa roboka izao tontolo izao
mamoaka tsy mihafa ireo film-ny ao
mandefa mitsiahy, ny lasa taloha
ireo an-taona maro no indreo indray mifoha

dia tazana indray ireo hadalana
na ireo sary sasany tiana hofafana
ireo tafy taloha efa demodé
ireo bika aman'endrika izay mampihomehy

dia mameno ny rindrina ny fizarana
mijery tsy mihafa ny iray tanàna
ireo namam-baovao koa nanjary nahita
ireo efa taloha, mahatsiaro izay vita

dia mitondra fifaliana na antoandro na alina
nefa ny an'ny FB io ka commercial
hoe taomy ny vahoaka sy tontolo rehetra
hanao FB tsy misy fepetra
--------
Rohy:
1109 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.033