Fitia anao (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hoe hanadino akory, raha toa ka nandao anao
Na hikaro-tanindrazana hafa, na hitady vola an-kilao
Fa naka saina kely monja, hahafahako mijery indray
Ny hoavy sy ny ampitso, sy izay mety aminay

Fa betsaka ny toeran-kita, maro koa ny soa sy tsara
Fa hoy ilay mpijhira izay, hafa ihany I gasikara
Fa tsy voatanisa ireo matanjaka, tsy hita isa ireo mahery
Kanefa ianao ry fireneko, mbola hafa, tiako jery

Tsy nila nampitaha akory, na koa hoe handanjalanja,
Fa na betsaka ny kanto, ianao no tena manja
Ka sady mahasaro-piaro, no mampijaly izato foko
Rehefa henoko ianao, hoe feno ratra sy toloko

Ka izao no ambarako aminao, ry tanindrazako tsy foiko
Na mety aza ny aty, ianao indray tsy hosoloiko,
Fa ianao no tany tiako, ry nahalatsahan’ny tavoniko
Raha mbola velona ny aiko, fitia anao no hotononiko
--------
Rohy:
1541 1
Mpakafy: Aynah
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0313