Fitia mandava-taona (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitia mandava-taona

Ny fitiavana kaloiko
An-takarivantsika
Dia raki-tsentom-poko
manempo ny hatsiaka
ka mamadi-dinitra
ilay ngolin’ny ririnina
ho fitiavan-tsy ritra
ka mafana fihinina

ny fitiavana kaloiko
an-takarivantsika
dia ilay feo tsy foiko
fiombonantsika
ka na mamanala aza
ilay siokan-drivotra iny
ny hirako eo milaza
ilay vetson’olon-tiany

ka am-pototsofinao
no ampangoritsihiko
ilay fitiavako sy ianao
mamy ka bitsihiko
ka ireo angon’hafanana
sy joala tsara doro
no mainka mampitana
ilay fitia tsy hikoro

ka ireo naotin’ny fonao
aza ovainao ny feo
fa hirao sy dradrao
fa izaho tsy ho leo
hampanakoy anatiko
ilay horovitsika iny
iloaran’ny tsy tantiko
toy ilay tamin’iny

fa ny fitiavana kaloiko
an-takarivantsika
efa fantatro ry foko
fa tokana amintsika
ka ireo no asandratro
hitety lohataona
hisedra fahavaratro
ho fitia mandava-taona
--------
Rohy:
1366 0
Hevitra mandeha
Zozoro ( 15/08/2010 18:25)
Mba satriko indrindra ny hihaino ilay feo
sy ny hiranao
Ho fahasambarako mantsy izy reo
raha atolotrao
Satria feno tsiky sy hevi-mafonja
noraiketiko am-po
Enti-mandresy ny hery ny onja
tsy tiana hifoha
Soarilala ( 14/03/2013 15:05)
Ilay fitiavana kaloinao
An-takarivantsika
Tiako ho re sy heno izao
Mba iombonantsika

Ireo bitsika fanaonao
Ka ampangorintsina ahy
Ao ampototsofiko ao
Tsy tanty tena mampanahy

Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0308