Fitiavan'olombelona (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
setrin'ny tononkalon'i kiriah hoe "noheveriko fa lasana.."

Noheveriko efa foana
Sy taloha efa nimaona
Ilay lamba landin-tsaona

Namonosan-devina
Ilay fitia mpampievina
Nototofan-tevina

Hay mbola tsy nety rotika
Tsy rimbina na potika
Ka zaho no saika lotika

Nahita famadihana
Sary tsara fihina
Avelo nokitihina

Dia taitra ny ambiroa
Nipongatra nifoha
Ireo fahiny sy taloha

Hay na landy tsara vahy
Na vato rangolahy
Tsy nahatohitra ahy

Ka nioitra ilay tsy lefy
Nihoarany ny fefy
Nohenjaniny ny refy



Tam-pi-maso monja
Dia niverina nafonja
Toa nodobohin’onja

Ilay fitia natao ho maty
Nivoaka am-batam-paty
Ka nanetsi-po tanaty

Tampoka fiselona
Nanditsoka ny velona
… fitiavan’olombelona
--------
Rohy:
1040 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0319