Fotsy, Mena,Maitso (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fotsy
Vatom-pahanginana
Ginam-pivokinan’
Ny feo tsy sahy avoaka
Fahanginan’ny vahoaka

Mena
Redaredan-dio
Natao hoe hanadio
Nefa very maina
Ilay vidin’aina

Maitso
Omalin’ny tontolo
Ravan’ny bontolo
Harena lafo vidy
Tapitra namidy

Izany sisa sary
Miranga sy mibary
Asehon’ilay loko
Ka kepaka ny foko
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
1463 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1009