Fripy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha akanjo no fripy, mbola azoko leferina
sasana maro sy imbetsaka dia afaka ny tandalerina
iny mba « importé » miavaka kely ihany koa
sady mba avy aty Eoropa, fa tsy hoe vita sinoa

Raha fiara no fripy, mbola azoko ekena
satria ilay hividy vaovao, tsy mbola zaka raha ny tsena
iny na dia maty kapoka, mbola azonao lokoina
ny « piece » hafa tsy manjary mbola azonao soloina

Raha vehivavy no fripy, mbola azo hifandaharana
ianao tsy nanomboka tantara, fa kosa angamba mety hamarana
mety ny safidiny no diso, na solafa-dalam-pahazaza
ka tsy asiana resa-be, na fosafosa hankalaza

Raha lehilahy no fripy, mbola azo hamarinina
raha tsy nanana traik'efa, moa dia nataonao inona
fa nandalo fiainana izy, hitondrana tsara ho anao
nianatra izy izay no marina, tsy sanatria hoe nilalao

Raha ilay fripy politika, tsy hita mihitsy hoe mahavanona
fa ovaovam-palitao, kilalao sakodim-panina
raha fitiavan-tanidrazana, tsy hita sy tsy tsinjo mihitsy
mandroba volam-pirenena, no tena ataony tsy mitsitsy

Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1036 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.026