HAFATRO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFATRO

Raha tonga ny ampitso, ka torovana ny saiko
Ka izay hanefy tononkalo, ho lasa zavatra tsy haiko
Dia ahoana ny hoaviko, hanao ahoana ny fiainako ?

Raha tonga ny andro ratsy, ka handao ilay fanahy
Ka tsy hiainga intsony anatiko, hisintaka tsy hanaraka ahy
Dia ahoana ny fijeriko, ary koa fomba fisainako ?

Raha tonga ny fotoana, any aoriana aza hitako
Ka misy loza tojo ahy, ka ny hanoratra tsy ho vitako
Dia ho aiza ianao ry aingam-panahy, sy ireto teny mba fananako ?

Raha tonga moa ilay andro, voatery handaozako ny tany
Rehefa tonga moa ilay andro, tsy maintsy hisy ange izany
Dia ahoana sy hankaiza, ireto rangotry ny tanako ?

Raha any aoriana tonga izany,
Satria izay no lalan’ny tany
Dia izao no iangaviako anao

Raha any aoriana aho ka resy
Noho ny taona mifanesy
Dia etsy hafarako ianao :

Mba vakio re matetitetika, ireo tononkalo tiako indrindra
Mba aparitaho amin’ny maro, ireo soratro ilay mba narindra
Dia any aho handry soa, sy am-piadanana milamina

Mba aelezo izay mba tsara, na dia sombintsombiny aza
Mba hampahalalao ireo taranaka, ary hampamakio koa re ny zaza
Ireo taratasy raki-tsoratro, na tranokala mba nindramina

Mba zarao ho an’ny maro, na ny havana na koa ny hafa
Mba ampitao ilay fitiavako, ilay tenintsika ho tenin-tafa
Amin’izay ilay aveloko iny, tsy hanelingelina ny velona

Mba tantarao re ny fisiako, tsy ilay izaho fa ilay kantoko
Mba hirao indraindray, ireo tononkalo tena mamiko
Ka handry am-piadanana ahy, k’intsony tsy hiselontselona
--------
Rohy:
2068 1
Mpakafy: pissoa
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.054