Halako (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny loko mena reda, eny am-paravodilanitra
Tena halako ka halako
Mandrotaka indray ny foko efa niadana salanitra

Iny fara lentiky ny johary, poa toa izay natelin-driaka
Malahelo aho ry malalako
Mandrotika indray ny aiko, te hitroatra ka hikiaka

Iny vavahady farany, manakatona ny andro
Aiza ianao mba ifaharako
Manokatra indray ny feriko, tsy mety sitran’ny mpanandro

Iny taratra somamby, tombok’asan’ny mpiambina
Mampahonena ity tantarako
Mankarary ny ao anatiko, irery ts’isy mpisakambina

Iny aizim-pito lavi-bolana, mampikitroka ny tany
Sa izao ve no anjarako
Mampanongoa , mampitatao, ny alaheloko ho tomany
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
821 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0931