Halako ianao ry poeta (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
atolotra an'ireo poeta mampiainga fanahy rehetra ee

Halako ianao ry poeta
Misompatra mitetateta
Mandrava ny saiko milamina
Sy ireo tetiko tsara nomanina

Halako ianao ry mpanoratra
Misolana misoratsoratra
Manakorontana saina
Rehefa iny aho mbola malaina

Halako ianao nefa tiako
Fa notairinao ireo faniriako
Hoe hitokam-po amin’ny penina
Hilaza izay tiana tenenina

Halako ianao nefa ilaiko
Fa ilay ainganao toa mibaiko
Ny teniko mba hikorisa
Hitantara ireo visavisa
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
932 0
Hevitra mandeha
Zozoro ( 23/07/2013 15:46)
Misaotra nizara e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0836