HAMBO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ilay sary tan-takelaka, dia tena hoe mamono lolo
Fa na ny endrika na bika, dia tena tsaratsara kolo
Ireo toerana nakana sary, tena hita hoe an-dafy,
Ny kojakoja manodidina, maneho fiainana tsy mihafy

Dia roboka ilay lehilahy, revorevo nila resaka
Dia nangataka ho namana, fa be vaovao sy be maresaka
Dia nanomboka nikevoka, ka nanova sary tapaka
Niaraka amin’ny bontsin-tratra, sy ny volo tsara tapaka

Dia iny koa ratovovavy, fa nidingina sy jefitra
Ka isan’andro vaky izao, dia niova jaika, niova efitra,
Nametra-tsary feno jejo, fenofeno fandranitana
Nanaitaitra lehilahy, ireto fihetsika mpamintana

Ratovolahy koa amin’izay mieboebo faka sary,
Mideradera an’andiany, miaraka amin’ny taritary
Misehoseho an-tafy tsara, miaraka amin’ny fiara henjana
Na ireo namana rehetra tsy misy izay iray mba vendrana

Dia nanomboka niresaka, sy nifanakalo tafa,
Nifampizarazara hambo, dia avy eo tsy nihafahafa
Nony farany aza moa, nifanaraka fa hihaona
Nifanome laharam-pinday ary dia nifanao fotoana

Teo vao samy indray sahirana, fa tsy takatra ilay hambo
Ireo pentsopentsona natao, indreo nivadika ho atambo
Ahoana re no ilazana, f’ireny ange ka sary ihany
Jejo natao peta-toko, sehoseho fahatany,

Ka ny hany sisa fara-hery,toa niarahana niombona,
Dia namoromoron-dainga, hevi-jaza tsy mitombona
Hoe noho ny asa aman-draharaha, dia tsy afaka indray,
Nefa ilay fahamatesan-kambo, no nahavoa sy nahafay
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1336 1
Mpakafy: raozigasy
Hevitra mandeha
kiriah ( 10/03/2012 09:00)
lol !!!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.108