Hampitondraiko anao (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hampitondraiko anao Hampitondraiko anao, ry korian-drano
Izany alaheloko, tsy tana mampangano
Ireo Roti-po anaty, tsy mbola lasa angano
Hampitondraiko anao, ry rahona eny an’habaka
Izany vesatry ny foko, maizina ka miavaka
Ireo tataon-jioga, tsy mety sarom-bavaka
Hampitondraiko anao, ry ankadilalan-tsioka
Izany toba-jaliko, efa ambivitra birioka
Ireo fery dilan-kolatra, efa nafoin’ny sioka
Hampitondraiko anao, ry dobok’onja farany
Izany kitrok’adin-tsaina, efa ela tsy hita tarany
Ireo vaim-panahy miotrika, tsy misy fitsaharany
Hampitondraiko anao, ry mpitsetra te hizaka
Izany afobeko, longoa tsy hita faka
Ireo triatran’ambiroa, tsy misy mahazaka
Fa tsy zakako intsony
Ilay tsy tian’ny fony
…
Efa veloma no nantsoiny
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
Hevitra mandeha
kiriah
(
10/03/2012 08:26)
.....Ory loatr ' izany foko , feno sento sy toloko,
koa raha mety zao dia zao ,mba ataovy zay azo atao
aza misy hadinonao zany fiangaviako zany
fa ny foko anie ry nao reraky ny mitomany......
koa raha mety zao dia zao ,mba ataovy zay azo atao
aza misy hadinonao zany fiangaviako zany
fa ny foko anie ry nao reraky ny mitomany......
Tikwel99
(
06/04/2013 06:51)
ooo... ito anisan tononkalo tiako indrindra ato