Hanala azy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ndao isika zalahy hanala azy
Kozy fa tsy vazivazy
Fa mila ovaina ilay “page”
Fa izao foana ve no ho sazy

Ndao isika zalahy hanala azy
Fa ampy izay ilay “ecolage”
Lasan’ny foza “sauvage”
Sy ilay seza ataony “mariage”

Ndao isika zalahy hanala azy
Mitondrà « panneau » feno « phrase »
Hoe midira amin’izay re « garage »
Dieny tsy misy « lynchage »

Ndao isika zalahy hanala azy
Ka hilahatra hanao « embouteillage »
Hanakana sy hanao « barrage »
Ireo mpandoka tena ho « sage”

Ndao isika zalahy hanala azy
Hazoto sy hanangon”-courage”
Handrodana ilay “engrenage”
Mitady ho tsara “rodage”

Ndao zalahy hanala ity dijaka
Ireo « mercenaires» sy lijaka
Dia avy eo manala azy amin’izay
Isika tsy mila DJay
Fa tonga dia revy “freesta”
Fifidianana eny amin’ny “piste”

Ndao isika hanala azy zalahy
Tairotairo ireo rahalahy
Ireo ramatoa s’ireo rangahy
Ilazao ireo beraharaha
Aza asiana resaka “angaha”
ary aza misy iray mialà “pas”

ndao isika hanala azy ry zama
malaky moa fa aza sagnana
taomy ny iray tanàna
handray ilay lala-migodana
ka hanongana ity fanjakana
tsy tian-dry zalahy ialàna

aza asiana akory « comment »
na hoe vetivety “attend”
fa ilay “cause” efa “consequent”
fa isika efa “en plein dedans”
efa hay ange ilay “pourquoi”
Amin’izay nge dago ho “ca va”

Ndao zalahy, ndao zalahy, ndao zalahy
Sao mihahaka ny omby eny an-tsaha
Ka izay vao hoe raharaha
Ndao zalahy, ndao zalahy, ndao zalahy,
Sao fatomaty eo io ka tsy voavaha
F’aleo izao dia efa misalahy
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
986 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0404