You are here: home > Vetso

Hangina aho vetivety - raozigasy

Hofotsiako fahanginana ny taratasiko androany
Hampanginiko ny teniko, ny vazavaza ajanoko any
Hakomboko ny basivava,  hofeheziko ny foko
Hozairiko ny hatezerana, ny ompa anaty aleo hioko

Fa hiezaka aho ny hanontany, sady hanao dian-tana
Inona mihitsy izany, no fety atao eto an-tanàna
Tsingerin-taonam-pirenena, sa tsingerin-taonam-pahafahana
Asaramanitra hifaliana , sa korana hifanavahana

Sa latabatra jodasy, mizara teny faramparany
Dia avy eo dia miparitaka, samy maka izay anjarany
Sa atao tsara toto-bozaka, ilay longoa mitanatana
propagandin-dreo  boloky, mandramby Ireo izay mihanahana



Efa hoe hangina aho, hangina kely aloha androany
Fa sao manimba sy misompatra, izany fety hatao izany
Hangina aho vetivety, tsy hiteny, tsy hivolana
Sady hanangan-tsaina fotsy, hanao maty, hanao torana

Hametraka hevitra

Midira aloha