Harena sy Fananana (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Io ilay zanakay, manosika kodiarana,
tsy hitany akory aho, efa eo am-baravarana
fa ny kilalao eny aminy sy ny teny ireriny,
no arosony, ahemony, sady averimberiny

kanjo vao , naheno, ilay hidy varavarako
nibitaka, nifaly, niantso ny anarako
natsipiny daholo, ny rehetra teny an-tanany
ka avy dia niantsampy, ny sandriko niondanany

avy eo dia mamikitra, miakatra eo an-tsoroka
sady feno sangy, no totofako oroka
manomboka miresaka, mibada teny gasy
ilay efa-taona keliko, zanaka Raozigasy

io fa be tantara, ny tany am-pianarana,
hendry be any androany, tsy nisy hifandaharana
dia nilalao baolina, tany an-tokontany
dia avy eo dia nianjera fa tsy nitomany

i neny koa io, manaraka ao aoriana
miandry anjara oroka, sao dada dia variana
sady manondro molotra, ilay zanakay trotroiko
no tsy aritro ihany koa, ka ny volony safoiko

dia indreo izahay, mifamihimpihina
tototra fitiavana, tsy taka-pandinihina
faly, ravo, mirana, feno fiadanana
fitiavana ny anay, no harena sy fananana
--------
Rohy:
1182 0
Hevitra mandeha
hery ( 01/04/2014 13:52)
Azoko antsaina mihitsy ilay tantara satria fantatro daholo ny acteurs 😊
raozigasy ( 01/04/2014 21:19)
Hainao mihitsy sefo a
andry 1000 ( 30/03/2015 05:25)
tena tsara e! mihomehy irery za ato, tena ohatrany iainana mihintsy an! misaotra raozigasy e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0971